iza ary? (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
zovy r'ilahy itony zavavy
toa feno hatsarana nefa miavona?
k'izaho iny mba hiangavy
no injao nihodin'izy no sady nianjona!

zovy reroy izatsy zavavy
maha-te ho tia sy mambabo fanahy?
izato hakantony anefa toa maro mpitady
k'izaho izay nanampaniriana kanefa tsy sahy

mba zovy r'ilahy ity zavavy
feno habikàna manintona maso?
toa manambara ny zavatra ho avy!
toa ilay fanantenana handresy ny ankaso!

mba iza ary? mba fantatrao ve?
ilay nandalo izay niserana
tsy taza-maso sa iny ilay niriko elabe?
sa ilay tiako, sy be fandeferana?

iza ary? toa ho zary ankamantatra
anefa ilay endriny mihorirana toa feno hatsaràna?
tsy ho sahiko anefa ny hiantsampy amin'olo-tsy fantatra!
nefa ny foko aza toa feno fitiavana mila tsy ho tana!

iza ary?

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Nosoratana tamin'ny 18 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Fitiavana
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013