kalo an-kabary 2 (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny kabary r'ilay toy ny voankazo mamy
ka izay ao am-bava dia telina avokoa
tena mamy aoka izany, mamerovero ramy
irony haingon-teny aza manaitra ny fo

ny kabary reroy toy ny voninkazo an-jaridaina
ka mafinaritra jerena sy manaitra ny maso
ny hakantony koa manintona ny saina
koa mainka ny hatsarany ! toa vidina lafo

ny kabary lereitsy toy ny volamena
tandrovina tsara fa harena sarobidy
ilàna fitandremana, ilàna fahendrena
fa sarotra tadiavina sy harena lafo vidy

ny kabary zareo toy ny lamba tinafy
raha vao ho rehareha, ratsy toa henatra
toy ny mpamboly vao namafy
ka miandrandra ny vokatra ho tonga lafatra

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mavahonjy Aimé)
nosoratana tamin'ny faha 30 jona 2017
--------
Rohy:
1372 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151