You are here: home > Vetso

LITERA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

LITERA "A"

litera "A"
   litera fanombohan'ny Abidy,
   litera tokana mpamelona ny teny,
   dia tsy azonao fohanana satria,
   teny manan-danja anatina fehezanteny.

litera "A",
    Andry hiankinan'ny teny rehetra,
   Vato fehizoro tsy azonao azera,
   teny tokana feno tarigetra
   teny fanorenam-paneva ka sarotra avela

litera "A"
     ilay tenim-pandeferana
     manaiky ny ho tantanana!
     liam-pandrosoana, liam-pahalemana;
     ary telozoro fanorenam-pihavanana!

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
06-08-2018

Hametraka hevitra

Midira aloha