You are here: home > Vetso

Loza, loza fa ...! - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Loza, loza fa ...!
                tandidomin-doza izao ny taniko
                ilay tany tena mamiko
                ilay tani-keliko mahantra
                Ka iza moa no mba hiantra?
                fa toa trosa lava foana no mba hany fivelomany
                toa gindin'ny fiainana no mba hany fitolomany

                dia izany no zava-misy ankehitriny
                tsy takona hafenina amin'ireo vahiny
                ny fahantrana iainantsika eto
                ka ny olom-bitsy aloha hatreto
                no manjaka sy mitavana
                ka mitazatazana
                ny fahoriana ny vahoaka maro an'isa
                izay voatamby ny fampandriana adrisa

              
nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 08/11/2017








Hametraka hevitra

Midira aloha