MADAGASIKARA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madagasikara ilay nosy kely miavaka
ilay nosy mamiko, ary ilay tany tokako
sy ilay nosy maitso izay voaravaka
ireo harena soribidy izay tsy voavidin' ny volako

Madagasikara, ianao ilay tanindrazako
ka adalan'ireo izay handositra anao
fa mamiko ianao ka tsy hotambazako
vola na hamidy izato hakantonao

Madagasikara ianao no hany reniko
ianao ilay nahabe, ianao ilay nikolo
ka ilay hatsaranao no hany diampeniko
sy ireo voaharinao hanazava ny tontolo

Madagasikara ianao no hany mba fonenako
ka ireo tafo vaky, ireo rindrina nitsesaka
dia ho hatsaraiko hatrany mba tsy ho anenenako
ary hokoloiko tsara fa sao mbola hisy hipetraka

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Nosoratana tamin'ny jolay 2017
--------
Rohy:
1070 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152