mamo (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mamo

mamo ny fiangolanao
ity foko adala mpiriritra
ary mamon'ny hatsaranao
ny masoko tia pitrapitra

mamo e! mamo tsy nahita intsony
izay mba hiantsampazana
tena mamo te-haka ny fony
saingy mizaka degire ny fandavana !


dia mamo tampona tsy mahatsiaro tena
mamo tanteraka ny angolam-pitiavanao
dia fo mirediredy toa tsy mba nekena
no mikalo sy mihira ny fandavanao


nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
nosoratana tamin'ny 17/09/2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
857 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159