MANDALO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDALO

tsarovy fa:

mandalo fotsiny ihany
raha ny bika sy hatsaràna
mandalo fotsiny ihany
raha ny ditra sy hadalàna
fa maharitra mitoetra
ny soratsoratra poeta

mandalo fotsiny ihany
izay rehetra taza-maso
Mandalo fotsiny ihany
raha ny sopatry ny ankaso
fa tsy resin-tsetrasetra
ny asa soratra poeta

dia ataovy mby an-tsaina:

fa mandalo fotsiny ihany
ny fiainana eto an-tany
mandalo fotsiny ihany
raha ny sento sy tomany
fa ny vahaolana hasetra
vakio ny asa-soratray poeta

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 28/01/2018
--------
Rohy:
807 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156