You are here: home > Vetso

METEZA - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Meteza ianao hindramiko
ry vorona mpisioka
mpampitsiky ny maraina,
ka ny hiranao no mamiko
handreseko ny tafiotran'
ny sento sy taraina

Meteza ianao hafarako
ry masoandro himpody
hamonjy ny hariva,
indro misy sora-tanako
ho ento mba ho tody
ho tonga kalon'ny antsiva

Meteza ianao ho namako
ry kintana amam-bolana
sakaizan'ilay alina,
meteza hanazava indray ny lalako
mangina, mizotra, migodana
anaty ny haizim-pito lalina

Meteza ianao hikalo
ny hiram-panafahana
ry mpikalo anaty rima,
ary aza avela handalo
ireny soratsora-tanana
izay nimatesanao mangina!

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (MahavonjyAimé)
05/06/2018

Hametraka hevitra

Midira aloha