You are here: home > Vetso

MOA VE - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

     MOA VE!

moa ve mbola misy ihany
fo mitempo any ho any
ka malahelo itony fo mitalaho

moa ve mbola misy koa
ny mahatsiaro izany fo
mangina tsy afaka hitrao

moa ve mbola misy ireo
maniry te hanampy ny fo mitoreo
izay tsy afaka mitia intsony

moa ve mbola misy namana
afaka mandray an-tanana
irony fo nidaraboka irony

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
nosoratana tamin'ny 14 Aogositra 2017

Hevitra mandeha

niyaridan06 (18/08/2017 10:56:50)

tsara fa tohizo,ary mba saika anontany koa aho oe ahoana kay mampiditra tononkalo ato e?

raims randriamalala (20/08/2017 13:34:04)

mankasitraka tompoko o! raha manana adresse mail ianao dia misy hoe hiditra etsy ambony dia tsindrinao io bokotra misy azy dia mahaza safidy roa ianao hoe ampidiro ny adiresy mailaka na google na face book dia ao ianao no miditra, misaotra e

Hametraka hevitra

Midira aloha