MOMBAMOMBA AHY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARAM-PIAINANY :
Tantaram-piainan'i RANDRIAMALALA Mahavonjy Aimé na i RAIMS RANDRIAMALALA no solon'anarany entiny eo amin'ny sehatry asa soratra, zanak’i RANDRIAMALALA Armand efa maty sy RAZANADRASOA. Izy dia teraka tamin'ny 09 Oktobra 1987 tao Befelatanana, ary monina ao Ankadilalampotsy-Akaraobato, efa manambady aman-janaka 3 mianadahy, ny anaran'ny vadiny RANJALAHY Brunah Vololontsoa Tahiry. RAIMS RANDRIAMALALA dia efa kamboty, fony izy vao 12 taona dia nindaosin'ny fahafatesana ny rainy ka ny reniny no hany sisa nitaiza sy nikolokolo azy nandritry ny taona maro mandrapaha-lasa azy nanambady an'i Tahiry izay. Isan'ireo olona niaina tanaty fahasahiranana tokoa izy satria tsy dia nanana ny raiamandreniny, ny asan'izy ireo dia mpamboly sy mpanjaitra, efatra miandahy izy ireo no mpiray tampo, telo lahy, iray vavy.... fa izy dia niavaka tamin'ireo iray tampo amin'ny satria tia mitsiky, tia mizara hafaliana, tia namana ary tia mitazona ny tsiambaratelon'ny hafa (namana). RAIMS RANDRIAMALALA dia efa niaina tao anaty fanabeazana skotisma, ary tao no nahalehibe azy ary nifarana teo naha-mpiandraikitra, isan'ny nobeazina tao anatin'ny antoko mpihira ihany koa na choral izany, teo amin'ny sehatry ny fiangonana no tena nanabeazana azy nandritry fahazazana sy ny fahatanorana....

TEO AMIN'NY SEHATRY NY ASA SORATRA:
Nanomboka teo amin'izy mbola tao kilasy faha-7 dia efa niangaly ny kanto ka niatomboka tamin'ny fanaovana sary izany ka niafara tamin'izao fanoratana izao, teo amin'ny kilasy faha-3 izy no
nanomboka nitia nanoratra ary nitohy tany amin'ny kilasy famaranana izany. Taty amin'ny taona 2016 izany vao tena nanoratra, ny sehatry ny kabary no tena nimasohana
ka mety ihany koa fampiarahana izany amin'ny asa soratra indrindra fa ny tononkalo izay soratana.

IREO ASA SORATRA NOFORONINA:
ireto ireo asa soratra noforonina:
 heloka ny lasa
 kalom-pitia
 tandidin'ny lasako
 ilay andro sarobidy
 ranom-bavaka
 kalo an-kabary
 ho an'i neny
 ny zanako
 mba ampindramo
 100ar ampandriana
 ny soratro
 tsiahy ny paska......sns
 Mikasika ny tantara sy sombin-tantara mbola eo ampiketrehana azy izao fa efa misy fa miandry fotoana kely fotsiny.

SEHATRA HAFA:
Mpikambana ao anatina association na fikambanana BEE Z'ART ihany koa izy, izay miangaly ny fanaovana théatre na tantara an-tsehatra, sy mpanao fanentanana maro samihafa.
Vao niditra ho mpikambana tao amin'y fikambanan'ireo mpanoratra malagasy ao amin'ny vondrona korira kanton'ny haisoratra malagasy (VKHM)

NY ASANY:
- Operateur online eo amin'ny sehatra informatika izany
- Mpikabary
- animateur na mpanetana

NY TANJONA:
- hanandratra avo ny kanto malagasy
- hanabe sy hitaiza ireo malagasy namana ho tia sy hikolo ny kanto malagasy
- hamerina ny mba hitiavan'ny malagasy fa tsara izany kolontsaina malagasy izany
- hampiroborobo ireo toe-tsaina efa nisy teo aloha

NY HETSIKA EFA NATAO:
1 - hetsika ara-teatraly tao amin'ny Ivokolo CMDLAC Analakely : teatra mitondra ny lohateny hoe IKOTOFETSY SY IMAKAHA
NY HETSIKA MBOLA HO ATAO:
2- hetsika hiarahan'ny Association BEE Z'ART sy ny JACKSON BOYS ao amin'ny tranom-pokonolona

MARIHINA FA NY ASA SORATR'I RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé) dia tsy azo adika na alain-tahaka na atao an-tsehatra avokoa ny asa sorany! misaotra anao manaja ny zon'ny mpamorina.

RAHA MAHALIANA ANAO DIA ITY NO LAHARANA FINDAY HAHAFAHANAO MIFANERASERA AMIKO 034 10 564 63 NA FACEBOOK: Mahavounjy aimé RANDRIAMALALA
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - tantara
1049 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114