NAHOANA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA?

Nahoana aho no maditra
ka tia tsiriritra
ity izao tontolo izao ity
izay tany fandalovana fisiasia

nahoana ity foko adala
minia tsy mahalala
afa-tsy ny ditra
hita fa tsy ho ritra

izany hono aho no kristianina e
kanefa maty hanina
amin'ireo karazam-pahotana
indrindra fa ny fijangajangana

lozako marina!
ity adalako izay mampivarina
ho amin'ny fahaverezana
ka tsy handray intsony izay ho fankaherezana

Tompo o! mba topazo indrafo
ity foko adala izay mety lo
ka diovy sy sasao
ary heloko avelao

dia misaotra Anao sahady
fa hatrehako ireo ady
ka ny Fanahinao Masina
no handreseko ny tsy marina
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Aingam-panahy
926 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128