NY FITIAVAN-TANINDRAZANA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVAN-TANINDRAZANA
inona moa ny atao hoe fitiavan-tanindrazana ankehitriny?

ny hoe fitiavan-tanindrazana
dia toa mifono fitiavan-tena
izay tsy ahitam-pahobiazana
mba ho tombontsoam-pirenena

ny hoe fitiavan-tanindrazany
dia teny fampiasan'ny mpitondra
ho entina hanandratana ny lazany
ao anatin'ny fotoana vitsy monja

ny hoe fitiavan-tanindrazana
dia eboebon'ireo mpanao politika
tsy hita mba mijery, tsy hita mba mitazana
ny fahorian'ny mahantra sy fahorian'ny madinika

nefa ny tena hoe fitiavan-tanindrazana
dia miaro ireo harena sy ny mponina ao aminy
ka mampajaka filaminana izay hita fa mihamazana
ireo korontana etsy sy vono olona atsy andaniny

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahvonjy aimé)
nosoratana 19/09/2017
--------
Rohy:
2776 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111