NY KRISMASINAY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny krismasinay

ny krismasinay lazaiko anao
fa hafa mbola tsy fahita
tsy akory hoe nahazo kilalao
na niantsena hividy gisa
toy ilay fanao hatraminizay
ary tsy mba tany ampingonana
no nankalazaina ny krismasinay
fa tao an-trano ihany no mba nilanonana

dia tsy ilay mahazatra isan-taona
no nanaingoina ny efi-trano
ary tsy natao ho angano foana
no andravahan' efi-trano
fa noezahana nolalaovina
ilay tantara niandohana
ka ny tranon'omby no mba soatoavina
natao filamatra handravahana
ny efi-tranonay

DIA IZAY NO KRISMASINAY

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 04/01/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
770 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015