Oh ! mafaitraka (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oh ! mafaitra
ka tsy laitra
kanefa tsy mahataitra
ity fiangolana vaitra
izay miampy hajejona
hita ho mandona
miseho eto anoloana
ka hodiko tsy tsaroana!

ity fankam-panahy
izay misarika ahy
ho sahy,
ho tafiditra tsinahy!
ka hirobohako tsy satry
ho tafidita ao anaty
hasambaran-dratsy
izay hita fa mahafaty

tsia! reseko
fa tsy ekeko
itony sekoseko
izay efa ambabeko
hibaby ny haratsiana
hitondra fangirifiriana
izay tsy ahitana fifaliana
ity tenako izay efa notahiana

ratsy ny eboebo
izay efa nanandevo
ny saiko lasa babo
babo ny haratsiana ity saina mbola revo

mafaitra ny ratsy!!!

nosoratan’I RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
815 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156