You are here: home > Vetso

ORA FOHY - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

ORA FOHY!!!

Ora iray monja no mba nihaonantsika
ora fohy monja kanefa dia nahavita
nahafahana ny tafa, nahafahana niresaka

isika rahateo, efa nifanome toky
Ary efa nifanaiky tanaty facebook
fa hihaona kely dia hiresadresaka

dia,
iny ora fohy iny no raketiko an-diary
iny ora fohy iny no andrafetako an-tsary
izay mety ho tohin'ny fiarahantsika

indrisy!
fa tsy hitahita akory dia tapitra ny ora
ilay ora mpanasaraka hialana moramora
dia hametraka veloma fa mbola hifankahita

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
19/03/2018







Hametraka hevitra

Midira aloha