Poeta adala (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Firy tokoa no tsy mahalala
f'irony poeta anie ka adala
tsy adala ny te hanoratra
akory fa adalan'asa soratra

Ka ireo kalo izay soratany
sy ny kanto izay mba fantany
izay hany manadala izany sainy
ka tonga rediredy ho lazainy

Dia izay nandaniany ranomainty
ho diampeniny ka tsy maintsy
ho soratany mba ho vetso-pony
ireo adalana maro izay tsarony

Ka aza sodoka ny fanankianana
ireny kanto natao sora-tanana
fa hasandrato izany ho reharehany
indrindra ireo kanto izay ketrehany

K'irony poeta izay heverina ho adala
no injao tonga lafatra tsy manan-tsahala
ka tonga rehareha, sy tonga tarigetra
ho an'ireo mpitia sy adala tononkalo rehetra

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
nosoratana tamin'ny 19 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1499 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154