You are here: home > Vetso

poeta mivavaka - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

poeta mivavaka

Tompo o!
indro ny talentako
entiko hiderana Anao
ka ny kely izay mba vitako
dia atao ho voninahitrao

ary ny kalo izay soratako
dia hankiniko Aminao
mba ho masina ny sora-tanako
hoentiko hiderana ny Anaranao

dia ilay feoko miantsa
no hiantsako ilay fitiavanao
ary solom-bavaka asandratra
ho fiantsoana ny Anaranao

misaotra Ray o! Amen

Nosoratan'i Raims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
24 Aout 2017 teto tanjambato

Sokajy : manokana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha