You are here: home > Vetso

RESIM-PITIAVANA - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

      RESIM-PITIAVANA

nisy teny tsy ambina naharava ny fitiavany
sy nandona ny aty fony ka latsa-dranomaso!
dia ranomaso tsy nampoizina no nanenika ny tavany
ka mamalomaloka ny endriny, fa resin'ny ankaso

dia ilay masoandro mampitsiky ny maraina
no indro tako-drahona ka tonga haizim-pito
ka nanjombona ny fony, tsy afaka hitaraina
fa difotr'alahelo, sempotry ny sento

ary ilay fitiavana najorony tamorin'ny kamory
no indro ravan'ny mpisompatra
ka tsy tafarina intsony fa nidaraboka natory
na tafatsangana aza dia injao fa mibolisatra

indrisy mantsy fa sompatra ny anjarako
ka ilay foko be fitiavana no tonga mpankahala
tsy te hitodika intsony ireny lasa ny fitiavako
izay nandiso fanantenana, izay tena nanadala

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
nosaratana anio 05/10/2017








Hametraka hevitra

Midira aloha