You are here: home > Vetso

RESY NY FOKO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

RESY NY FOKO

Odrey! izato antsoantsonao ry foko
mihiaka, mitalaho anaty ny toloko
mitoetra manirery anaty loko mena
midoboka mangina, misento mahonena.
indrisy! fa gina sady sina ilay fitiavako,
nangina sy nangaina ny hasambarako.

oh! toa malefaka fidoboka ho aho izato foko
sa efa potika sy rava ilay sary'hosodoko!
aiza ilay tsiambaratelo mba nitambarana?
indrisy, fa moana sy foana ny pejy nosoratana

injany,
miritsoka firotsaka e, ny riakan-dranomaso,
misoko mangina ireo sompatry ny ankaso
miako malefaka ny kalon'ny tsiahy
toa resin-tory ilay aingam-panahy

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 10-04-2019





Hametraka hevitra

Midira aloha