ririnina mafaitra (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ity vatako manify
maniry ny hitampify
ho eo an-tratranao ange malala
dia tena mila hafanana e!

fa mamirifiry ny ririnina
kanefa tsy maninona
raha ilay hafanana ilaiko
no tsy foinao dia ho sahirana ny saiko

dia isaorako anao sahady
fa tsy ilàko ady
izay ho valin-teninao androany
fa ampy ahy, ka hiafiko ihany

ity ririnina mafaitra
izay tena tsy laitra
ny hatsika mahangoly
izay tena mampahory

misaotra e!

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahvonjy Aimé)
tamin'ny 3 aogositra 2017
--------
Rohy:
938 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109