You are here: home > Vetso

ry sakaiza - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

RY SAKAIZA

ry sakaizako fahiny
raha sendra an-dalana eny
ka hifanojo izato maso
dia iriko indrindra iky
raha maso tsy mivandra
no tazako aminao
sitraka eny telina
raha ny molotrao mitsiky
no atorakao imolotro
ary aoka tsy ho tsiny
raha toa mangala-jery
ny famindranao milanto
milatro am-pilaminana
tantanan'olon-kafa

finaritra e, ny saiko
tretrika e, ny foko
fa tojo anao sakaiza
ilay lasan'ny omaly
sy ny taona nifanesy,
saingy ianao an-tanan-kafa
no indro sisa tazako
ianao miaina fahasambarana
ianao hianoka sy higoka
ataranoana ny fitiavany
sambatra izy,
fa tojo anao sakaizako,
ilay finantatro tantara
finantatro halemena,
ny sisa ataoko an-tsaina
dia hoe: veloma tsy hiaona
RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
22-02-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha