You are here: home > Vetso

RY VEHIVAVY - IMAHAKA randriamalala (mahavonjy aimé)

RY VEHIVAVY

moa tsy ianareo vehivavy
no tena tia misangy
ny lalan'ny fitiavana!
dia mampiasa izay fitaovana
entina handemena ny ao anatiny
efa fantatrao fa tsy ho tantiny

ary moa tsy ianareo vehivavy
no tena tia mitamby
ny fony mora tezitra!
ka raha iny hoe milefitra
dia nohararaotina
amin'ny toetranao tsy maontina

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA
05/03/2018

Hametraka hevitra

Midira aloha