sakaiza manody (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
sakaiza manody

tsy nampoiziko ho ianao ry tiana
no nahavita namadika ilay bainga
fa vitanao mihitsy no nampangina
ity vavako izay voafahanao lainga

tsy nampoiziko ho ianao rahavako
no nahavita namotika itony soratro
sy nandoro ny diary mpitahiry ny fitiavako
tsy maninona fa hoferako aloha ny hatezerako

tsy nampoiziko ho ianao malalako
no hitsangan-ko fahavalo
Ka hanakana ny lalako
toy ny fanaon'ireo dahalo

ry sakaizako fahiny
mankasitraka anao, eny misaotra
fa tsy harahako alahelo, sy tsy omeko tsiny
fa miandrasa fitsarana any ankoatra

bainga => ilay fitiavana

Nosoratan'i RAIMS RANDRAIMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 30/11/2017
--------
Rohy:
937 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153