SAO IANAO MIHEVITRA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAO IANAO MIHEVITRA

sao ianao mihevitra, fa ny fahamaron'ny tsena
no mahafoana fahasahiranana
sao ianao mihevitra, fa ny fivarotan-tena
dia hampitombo ny vola am-pelatanana

sao ianao mihevitra, fa ny olo-be fialonana
dia mbola hanana ny saina tony!
sao ianao mihevitra, fa izay mpandeha fiangonana
no hahazo fitahiana avy any ambony

sao ianao mihevitra, fa ny fanananao harena
dia ampy hananao fiadanana
sao ianao mihevitra, fa ny fitiavan-tena
no hampiroborobo izay hananana

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156