RAHA TOA KA...! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ry malala :
raha lasa aho,(x2)
Izao no hangatahiko aminao,
ireo kalo nosoratako,
izay voarangotry ny tanako,
raha tonga ny maraina
dia kaloy
sy vetsoy
ary tiako raha hiraina!
ity tononkalo izay soratako
nanamarika ny fiainako
no ataovy fahatsiarovana
ka raha tojo fahalovana
izato nofoko malia,
aza avelanao hangina
ireo diary notehiriziko
sy ny soratro nikalo,
ny atsimpirihim-piainako
izay niarahako taminao
ireny rehetra ireny
mety ho aloka miserana
arahan-dranomaso,
ary alahelo tsy haiko ferana
no mibosesika ato an-tsaina
nefa mbola hisy ny maraina
hanafoana ireo toloko
ka ny fiainanao iriko ho maro loko.

Ka!
indray andro any ianao
Rehefa iny manadino
dia ny tononkaloko no avelao
fa ny sariko fihino
dia aza asiana ranomaso,
ary aza asiana alahelo
fa ny sariko tazomy ary ataovy tsara safo
raha sendra tomany dia ny ambo-po no fero

nosoratan’I raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Copyright 2017
--------
Rohy:
799 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122