You are here: home > Vetso

tantara mitohy ilay boky mainty - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Ity tantara izay mitondra lohateny hoe " ilay boky mainty" ity dia tantara iray izay somary mampatahotra ihany satria dia miaina ao anaty horohoro sy fampitahorana mandrakariva i Bary ary ity boky mainty ity dia toy ny diary izay mirakitra sy mitahiry ny tsiambaratelon'i Rasendra maman'i Bary ary ahitana ny anaran'ireo olona izay tsy maintsy ho faty indrindra fa izay miaraka amin'i Bary. Fony fahavelon-dramatoa Rasendra mantsy dia tsy nankasitraka loatra ny fiarahan'i Bary tamin'ireo olon-tiany izy fa nanelingelina azy tamin'ny fianarany ary zary lasa areti-po ho azy mihitsy aza ny fisian'ireo tovovavy niditra tao antoka-tranon'izy mianaka ireo.
Rehefa maty anefa i Rasendra maman'i Bary dia nanangatra ireo sakaizan'i Bary rehetra ka isan'izany i Rindra lay tovovavy tena tian'i Bary sy i Anja ilay sakaizany izay somary ratsy toetra ka nankahala an'i Rindra fatratra.

Ka toy izao no fizotry ny tantara, fony mbola tamin'ny fahavelon-dramatoa Rasendra dia nilaza izy fa tsy dia mety loatra ny miaraka amina tovovavy raha mbola ao anatin'ny fianarana i Bary. kanefa i Bary dia nandà azy hatrany ka nilaza taminy f'efa lehibe fa tsy zazakely intsony ka mahalala ny tokony hataony. ka toy izao no resaka nifanaovan'izy mianaka tamin'izany:

Rehefa iny i Bary niditra ny varavarana dia hoy Rasendra tamin'i Bary hoe: "izao ve ianao anaka vao miditra ny trano a, fa mbola taiza indray, hein! tandremo re Bary fa mbola mianatra anie ianao io e!" dia hoy Bary hoe :" izay indray neny mbola tara bus aho re a, tsy nisy bus mihitsy sady  milahatra be ny fakana azy, hainy neny ihany ko!" dia hoy i Rasendra hoe :" mba miteny ihany aho ry Bary fa sao mantsy ianao variana fotsiny any fa tsy ny fianarana no himasohanao io ko", dia hoy i Bary hoe :"ry neny koa izany be menomenona tsss, fa inona àry izao no heverin'ny neny fa havariana ahy any e, matokia neny fa fianarana no ataoko any e", i Rasendra " eny e! mianatra anie ianao e, fa tato ho ato izay ianao ohatran'ny variana be izany, toa lasa amborona fotsiny aza indraindray koa, hein dia miteny ihany aho aloha e!", i Bary " neny a! eny ary e tsy ifanditra lava be amin'izany eto aho, fa inona aloha no nataon'ny neny laokantsika ao e! izaho zany efa tena noana be mihitsy ko!" dia hoy i Rasendra hoe :"tena amin'ilay tianao be mihitsy ka, ravi-toto sy henan-kisoa!", i Bary:"izany ve ry neny! ka arosoy ary izatsy izy hinanako azy ko!"; i Rasendra :"dry fa aiza ty ianao no hinanana azy! eto ambony canapé eto ve?" , "eny" hoy i Bary tsy naka sarotra, dia hoy Rasendra hoe :"draidray ndehana etsy ambony latabatra etsy fa inona ary ty,izaho aza efa sahirana nandamin-trano tato ko", dia hoy i Bary hoe :"ka izaho anie sady hijery tele ry neny e!" , "aaa" hoy Rasendra etsy sady lasa naka sotro ho azy.
Nony ampitso dia hitan'i Rasendra i Bary niaraka tamina tovovavy iray antsoina hoe:"Rindra", tovovavy iray tsara tarehy sady tso-piaina izy ary io tovovavy io no tena nandrin'ny fon'i Bary ka niaraka taminy nandritry fotoana naharitraritra. Ka dia nanatona azy roa i Rasendra ka hoy izy hoe:" Bary, izao ve ianao no mianatra e!" ka hoy i Bary namaly azy hoe:" oay neny, avy nianatra izahay ka!, tsy nisy mpampianatra dia nody aloha dia izao hitan'ny neny ety izao", dia hoy i Rasendra hoe: " izany! koa naninona raha tonga dia nody fa tsy mbola mijanona aty fotsiny nefa ny raharaha aza mbola misy tsy vitako ka tokony hanampianao ahy!" hoy izy tamin'ny fiteny masiaka. dia hoy i Bary hoe:" hay, ao fa ho avy aho e, fa izy aloha ry neny no Rindra a, namako, dia izy ry Rindra no mamako a" dia hoy izy hoe :" ay! azafady retsy anaka, faly mahafantatra anao" hoy izy, nefa ny ao an-tsaina tsy tia azy akory fa miatsaravelatsihy aminy fotsiny, dia hoy izy any aneritreriny ihany hoe:" tadidiko izany anaran-tena izany fa tsy ataoko afa-bela izany tena e, manadala an-janako fotsiny any am-pianarany any", dia hoy i Rindra namaly azy hoe:"izaho koa torak'izany, faly mahafantatra anao!" dia lasa i Rasendra niantsena , ka hoy i Rindra hoe :" mba masiaka koa neninareo izany a"! dia hoy i Bary hoe:" ngaha iny mahagaga e, efa izany mihitsy izy iny, fa ngaha ianao matahotra azy? dia hoy i Rindra hoe:" aaa ka, tsy hoe matahotra aho fa hita amin'ny endriny fotsiny ko" dia lasa ireo namonjy fodiana.
Nony tany an-trano dia niteny an'i Bary mafy i Rasendra mba hifantoka tsara ny fianarany fa tsy ho variana amin'i Rindra fotsiny any ivelany any ka hoy izy raha nanatra azy hoe:"Bary a, ataovy aloha ho aho ny fianaranao fa aza variana amin'ireny vehivavy ireny fotsiny any ivelany any ianao!" dia hoy i Bary hoe : " izay indray i neny, ao ary fa iezaka amin'ny fianarako raha izay no manahirana ny sain'ny neny e,!" i Rasendra :" tiako ho tafita ianao anaka a, tiako mba itovy amin'ireto zanaky ny iray tampo amiko ireto ianao e!" dia hoy i Bary hoe :" eny re neny o!, tsy adinoko izay fa tadidiko e!" sady lasa namonjy an'ilay fotoanan'izy Rindra fa mba tsy nianatra tamin'io fotoana io! dia hoy i Rasendra :"aza ela any ianao a!"
Rehefa  nandeha teny ny fotoana dia tratran'i Rasendra niaraka teny an-dalana indray i Rindra sy Bary ka tsy nanatona azy roa ireto i Rasendra ka dia tonga dia namonjy fodiana, i Bary anefa tsy nahalala fa niteraka ho areti-po ho an'ny reniny ny fisakaizany tamin'i Rindra.
Nisy fotoana anefa i Rindra sy i Bary nifamaly ka dia tafasaraka ka niaraka tamina tovovavy hafa indray i Bary izay antsoina hoe Anja izay tovovavy somary madiditra noho i Rindra ka dia tratran'i Rasendra indray teny an-dalana ka vao mainka nampitombo ny aretiny hatrany izany. Nandritry ny fotoana maro anefa dia maro ny sakaizan'i Bary ka tsy zakan'i Rasendra fisin'ireo tovovavy nifandimby niaraka tamin'i Bary ireo! ka izany no antony nisin'ilay boky mainty izay ho tahirin'ireo anaran'ireo sakaizan'i Bary ireo. indray andro anefa dia tafaresaka tamin'i Bary indray i Rasendra ka hoy izy tamin'i Bary hoe :"Bary a! marary aho izany fa mba ento any amin'ny dokotera aloha e, tena tsy zakako intsony ny vatako!" dia hoy i Bary hoe :" marary neny? aiza no marary anao? ao fa haka dokotera haingana ary aho aloha e dia aza mihetsiketsik'eo a!" i Rasendra:"ndehana re anaka a" "lasa ary aloha e" hoy i Bary sady nikoropaka nandeha naka dokotera
mbola hitohy
nosoratan'i RAIMS Randriamalala (Mahavonjy Aimé)

Hametraka hevitra

Midira aloha