taona vaovao (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
taona vaovao!!!

dia vaovao indray ity taona
tsy dia hoe nisy niova firy
fa toy ny mahazatra eny foana
ny fiatrehana ny adidy

fa izao! akorisako ny peniko
ho fiarahabana anao
nahatratry ny taona vaovao
ka firariantsoa tokana no hany mba teneniko
hoe hotahin'ny Tompo anie ianao amin'izay rehetra atao

fa...! teny kely monja
no mba azoko ambara
tsy akory hoe mafonja
fa ny lasa dia tantara

Fa raha iny taona lasa iny
no mba asiana resaka
dia taonan'ny hirifiry
ka tena nahaketraka

fa vao nitsidika ny taona
dia ny rivo-doza no nandalo
eny e! efa fahazarana isan-taona
Ny fahasimbana sy ny fiakaran-drano

kanefa na izany aza dia mirary taona zina
ka ho tanteraka avokoa anie ireo kinasa sy ny vina

NOSORATAN'I RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 07/01/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1410 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152