You are here: home > Vetso

TERAKA HO AN'IZA? - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

TERAKA HO AN'IZA?

teraka Jesosy
tao an-tranon'omby
dia mitobaka ny saosy
fa tonga ny Mpamonjy
tsianjery tsy hadinoina
fony fahazaza
matetika tsaroana
Ka ventesina eo am-bava

injany! ... Henoy!
ny dindaon'ny fiangonana
miantsoantso mpino
hiombom-po amam-panahy,
ary hiventy hira-piombonana
avia ry mino!
ilay hira mampatsiahy
ny naterahan'ny  Mpamonjy
saingy teraka ho an'iza,
ilay Jesoa zazakely?
moa ho an'ireo izay mila vonjy
sa ho an'ny olon'ny hariva
hamonjy tankariva ny noely?

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 13-12-2018






Hametraka hevitra

Midira aloha