You are here: home > Vetso

tiako ianao 3 - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

TIAKO IANAO (14 febroary 2019)

malala a,
eto isika no hisambatra
hianoka ny mamy
eto isika no hitambatra
sy hibanjina ny ho avy

tena hampoka fitiavana
ny fo mitambatra ho iray
ka ho mari-pamantarana
Ilay fitiavako hatrizay
dia ventesiko eto imolotro
ilay teny nampiray
ary singan-draozy izay atolotro
no iriko hampitempo indray
ny fonao efa tia
ary teny tsotra sady fohy
no angatahiko amin-dry
hoe: ny molotro horohy
dia ho lazaiko mora
eo an-tsofinao
Ilay teny mampiangola
hoe: tiako ianao

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
14-02-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha