tohin'ilay tantara fitiavana latsa-paka (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tohiny
nony tonga taty iarivo i Volana dia tsy nahazo aina mihitsy fa lavitra azy ilay olo-tiany
tao anatin'ny andro maromaro tao aorian'ny mahajanga anefa dia tsy tafahoana mihitsy izy roa ireto ka dia lasa saina mafy mihitsy i Volana tamin'izay ary tsy nisaina afa-tsy ny hoe :"tena hadinon'i Rado mihitsy ny fisiako ankehitriny, eny e rariny ihany koa aloha izany e! ny laharan'i findaiko aza adinoko ny nanome azy an'i Rado, eny fa na misy ahy aza tsy noteneniko azy."
nanomboka teo indray ny tantara
rehefa iny i Volana sendra nitazana teo amin'ny lavarangana iny dia nahita ilay masoandro hadiva hilentika ka izay no tsarony fony izy niaraka tamin'i Rado teo amoron-dranomasin'ny mahajanga sady tsaroany ihany ilay horoka voalohany nomen'i Rado azy tamin'izay ka dia lasa saina izy no sady niteny anakapo hoe
" Raha mbola teto anilako mantsy ianao rado dia tsy nisy izao ranomaso latsaka izao, tsaroako mantsy iny horoka voalohany nomenao ahy iny fony isika mbola tany mahajanga, dia mba aiza ary izao ianao e? mba manina ohatra ahy izao ve? mba mahatsiaro ny fisiako ve? raha tsapanao mantsy ry Rado izao fahoriako izao
a, dia mba hitomany toa ahy koa ngamba ianao?" dia niditry ny efitrano nisy azy i Fetra kanefa dia tsy reny akory izany dia hoy i Fetra taminy hoe :" Variana be anie bavy izany, ary inona hono izany mahalasa vinany andry izany?" i Volana:" aaaa,hay ve ialahy ihany e, aaa ka tsy misy n'inon'inona ka, fa ny mahalasa ny
saiko oa dia iry masoandro mandiva hilentika iry e! i Fetra :" fa maninona izao io ka, izao izany no mahavoajanahary azy koa!" dia niditra ihany koa ny dadany ka efa sahirana mafy mihitsy niantso azy mianadahy ireto dia hoy izy: "hay ve ianareo miandahy ato ihany dia tsy mba misy mamaly akory na dia iray aza, raha izany
no hoe mpangalatra no tafiditra dia efa lasa tao daholo izay azony bataina, fa inona no mahavariana anareo ato e?" i Fetra kosa no namaly hoe:" ka mbola mihaino ny anganon'i Volana ato re ry dada a, variana be hono izy io mijery iry masoandro miloko mena iry e! (sady miomehy kely ihany), dadany: " dia inona koa izao no mahavariana amin'io ka"
i fetra :" koa na izaho koa aza mba gaga ry dada koa!" i Volana :" ity fetra ity koa! kanjony izany ry dada" , i dada : " fa izao oa e, inona izao no fianarana ho atao ty e? toa variana fotsiny ato an-trano ato fa tsy mieritreritra an'izany mihitsy fa toa lasam-borona izany foana tato ato fa tsy hay hoe maninona na maninona?" i fetra somary nanisy sira
kely ihany koa hoe:" ie tena izany mihitsy ohatrany midorororo izay foana izy tato ato izay, hatramin'izay niverenany tany mahajanga izay dia toa ohatran'ireny olona rainidanaka ireny ndry (sady miomehy kely)", dadany :"ie, tena marina mihitsy izany, fa inona no nahazo anao tany fa na i dadatoa sy nenitoa koa aza nanontaniko dia mitovy amin'izay ihany
koa no notenen'izy ireo tamiko, fa nisy inona e? lazao fa tsy aninona izany aho!", dia hoy i volana:"ka sao dia tezitra eo dada koa?" dadany :" tsy aninona izany aho oa? fa lazao" dia namaly azy i Volana hoe :" nisy tovolahy izay ry dada niaraka tamiko tany a, i Rado no anarany saingy taorian'izay fialantsasatra izay dia tsy hitako intsony izy (sady nanganohano kely ny masony)
i Fetra :" mmmh, dia ahoana izany tsy nanome laharana azy akory ve ndry na nanoro izay misy antsika? ; i Volana :" ka izay mihitsy anie no olana e adinoko ny nanome azy ny laharan'ny fidaiko sy ny nanoro azy ny misy antsika? i Fetra:"eeeh, ny andry izany no be indrindra koa sady voa mafy hitako no lasa vinany any mahajanga any (sady niomehy kely); i dada:"dia ahoana izany,
eny e, adinoy any izany fa tsy anjara zany ny anareo koa, mandehana mitady fianarana rahampitso dia lazao ahy ny teoram-pianaranao, fa inona moa no taranja ho ataonao ty e?
i Volana :"betsaka ry dada no tiako atao fa ny taranja mikasika ny fitantana no tiako atao a!" i dada :" ie izay mihitsy koa no tena mety aminao sady mora ahitana asa rehefa vita ny fianarana, eny ary e lasa aloha fa mba manaova amin'izay koa raharaha ianareo mianadahy fa tsy ilaozanareo variana fotsiny ato; izay ry fetra a sao ilaozan'ialahy mandehandeha any ndray"
i Fetra :" kay le! anao raharaha hono, aleo rangaha mba maka mpanampy amin'izay ry dada fa mandreraka be izany raharaha izany ka!" i Volana :"elahy koa zany, tsy ilaina izany fa mandany vola fotsiny kosa ka, sady zaho koa zao mbola tsy mianatra dia afaka manao izany tsara, ialahy ko mbola vacance dia tsy hitako hoe atao inona izany?" i Fetra :" ndry koa rangaha tsss, ka ny
bandy izao tokony mba andeha hanao baolina hiaraka amin ny bandy akama koa, dia ataovin'dry irery izany koa ndry raha teo tsy misy atao fa izaho misy atao, iza no tadiavin-dry ho gadra ato antrano ato! lasa aloha e, eo ndry izany aloha" i Volana : " fetra a! alamino aloha ny trano vao mandeha ialahy koa, sao mantsy tezitra eo i dada amin'izao trano mikorontana be izao, f'izaho hikarakara sakafo"
i fetra: " eny ary e ataoko izany dia ndry mahandro sakafo a, izaho raha teo maika anao baolina!" i Volana :" ie, dia andeha iantsena vetivety aho aloha izany a, dia vitan'ialahy io mandram-piveriko", i Fetra : " ie dia aza ela any a!" i Volana : eny lesy a!" dia lasa i volana niantsena izay ho sakafo atoandro, ka sahiran-tsaina mihitsy izy ny amin'izay ho atao loaka (teny an-tsena) i Volana
:" inona indray ary ity izao no atao loaka toa efa mankaleo ahy koa ity miantsena ity ka, efa tapitra natao loaka avokoa ireo legume ety an-tsena ety sa atao kiendiendy indray e!" teo dia niasa saina teo i Volana ka tapaka ny heviny fa ho atao kiendihendy indray ny laoka :"aleo rangahy mba trondro endasina ndray a dia asiana lasary kely a, dia ro-mazava no atao rony mba tsy ho maina be ny sakafo" aleo rangahy izay a!"
dia novidiana avokoa ireo ka rehefa izany dia lasa izy kanefa tampoka nisy fiara iray sendra tazany masony ka i Rado no tazany tao ka taitra izy nahita ilay olon-tiany, i Rado koa anefa somary nahatazana azy ka somary lasa vinany kely nahita azy saingy tsy afaka nijanona moa izy rahateo tsy nino hoe i Volana iny hitany fa olona sendra mitovy aminy ihany, ny paozin'i Volana koa moa somary tsy dia nitovy tamin'ilay
tany mahajanga ireny fa somary niova kely, ka samy lasa nanohy ny lalany avy ary saina nampiasa ny sainy teny andalana, i Rado kosa niteny tamin'ilay mpamiliny hoe :" tena mitovy amin'ilay olona notadiaviko lesy iny a!" ilay mpamily kosa niomehy fotsiny tamin'izay, fa i Volana kosa nanohy ka sady niteny anakapo hoe :" tena i Rado ary ve iny fa mitovy be aminy, nefa raha izy ve tsy tonga aho ve dia fantany ka nijanona
izy, nefa ny misy ahy aza adinoko niteny azy hoe aty izahay no mipetraka" , tonga tao an-trano izy ka hoy i fetra mantsy :" nareo koa rangahy elabe a, dia inona ndray izao ty miasa saina be ty e? sa nisy nahazo andry ndray tany? eo amin'izay ndry fa lasa aho a!", dia namaly an'i Fetra izy hoe:" etsy ange elahy teneniko zavatra e, nisy olona izay oa teny mitovy an'i rado fa tsy haiko hoe izy ve sa tsia fa tena mitovy be lay olona
tao anatin'ilay fiara!" i Fetra nanatsafa azy hoe : "sssh ndry ty koa zany tsss, naninona raha nantsoina hoe rado izaho ihany ty hoe!" (sady miomehy kely ihany no sady lasa nandeha, i volana :" sssh, ialahy ity koa zany tsss, ndana ary e, dia rehefa tonga dia mody misakafo a sady trondro endasina no nataoko loaka ato! i fetra sady lasa no niteny hoe : "iz tsara kosa izany koa sady amin'ilay tiako mihitsy a!" Dia i Volana eto ampikarakarana
ny sakafo iny dia lasa saina ihany tamin'iny zava-niseho teo iny, hoe: " i Rado ary ve iny e, raha izy anefa iny dia nahoana ary izy no tsy mba nijanona na dia niarahaba ahy fotsiny aza, sssh matoa rangahy iny tsy nijanona dia tsy izy iny izay a!" aleo aho hikarakara sakafo ngah toa ilaozako mandefa vinany any amin'iny olo-mandalo iny eto fotsiny!" dia nikarakara ny sakafo izy ka vita soamantsara izany, ary rehefa iny teo
ampisakafoanana iny dia mbola niasa saina ihany izato izy, ka dia hoy ny dadany hoe:" fa inona ihany ity mampiasa saina anao ity ry Volana a? ary efa nahita fianarana ve ianao ity e"! i Volana :"aaa, ahoana hoy i dada a? i dada:" jereo izany izy koa na ny fanontaniako aza tsy enonao akory, aiza oha ianao no hianatra? volana :" hay ve, eny ankifotsy re ry dada ao amin'izany ACEEM izany e sady ao hono mora ny sara-pianarana"; dadany
"eny ary e tsy maninona, fa alamino tsara ireto dia miaraka isika amin'ny folak'andro!" i Volana :" eny ary ry dada a!"
teo amin'i Rado indray no niseho ny tantara ka izao indray no adin-tsaina niainany tao anatin'izay fotoana nahitany an'i volana izay
i Rado:" tena efa ela ihany rangahy izay no tsy nahitako an'i volana izay a! ary sao dia mba izy ihany ary ilay hitako teny amin'ilay toerana nalehako iny a? teo dia niasa saina teo izy ary nanampa-kevitra ny hivezivezy eny amin'iny toerana iny ary hiezaka ny anontany olona mihitsy aza ny mety misy an'i volana sao dia mba misy mahalala ihany, i Volana koa moa tsy dia lavitra eo amin'iny toerana iny no misy azy ary dia misy mafantatra
ihany; indray andro anefa i Rado sendra mba nandeha tamin'iny toeran'iny ka dia nanontany olona ihany, i Rado :" hono azafady, sao dia mba fantatrareo kay izany tovovavy atao hoe Volana izany? dia tsy nisy nahita ny misy azy mihitsy anefa ireto olona nanontaniana kanefa dia fantatr'ireo izay nanontaniana anefa i Volana ary izy irery ihany anefa no manana io anarana io eny manodidina azy eny kanefa dia tsy nisy
nahita ny misy azy, ary dia niverina maina ihany aloha i Rado hatreto.
i Rado izay fatra-piasa saina an'i volana kanefa tsy nahita azy mihitsy dia niato kely indray aloha ny fitadiavana azy izy raha teo koa mbola sahirana amin'ny asany satria izy no lasa mpitantana ny orinasan-drainy,
taona maro taty aoriana dia vita soamantsara ny fianaran'i Volana ka nikasa ny hitady asa amin'izay izy ary dia faly ny dadany
i Volana :" vita ihany ity ry dada ny fianarako a, fa eo amin'ilay fitadiavana asa izao no somary manahirana ko!" dadany:" aza kivy re anaka a, fombany ihany io fa mahareta kely e, tsy maintsy mahita eo ihany eo ianao e!", i Volana : " ary maninona moa ry dada raha ao aminareo ao aho no manao stage a!" dadany :" ie mety koa izay ka fa raha hoe hiasa ao ianao dia tsy mety amiko fa tsy sahaza ny maripahaizanao ny karama ao!" i volana:" aaa,
ka tsy hiasa ao fa matokisa dada e, stage ihany no ataoko ao dia vita izay dia mba mitady asa sahaza ahy amin'izay aho!" dadany :" eny ary aleo fa ho teneniko ny lehibenay ao dia mba manomboka ianao amin'iny herinandro iny sa ahoana?"
i volana :" ie mety izany ka amin'izay koa aho tsy mijanona fotsiny ato an-trano ato, fa mba lany andro any!" dadany :"aleo ary aloha izay no atao e!" i Volana :" eny ary ry dada a!" afaka telo andro teo anefa dia tafiditra soamantsara i Volana ka dia namita stage tao amin'ny toeram-piasan'i dadany nandritry ny efa-bolana teo
i Rado : aleo amin'izay rangahy izaho hiverina eny amin'ilay teorana nahitako an'i Volana iny a! tena te ahita azy mafy mihitsy aho mantsy izany ka, sady efa nanome toky azy aho fa tsy hivadika ny efa nifanekenay tany mahajanga!" aleo rangahy fa ho any aho rahampitso dia rahampitso a!" dia lasa tokoa izy nitety iny toerana nahitany azy iny
nony ampitso dia sendra tovolahy iray anefa i Rado dia tsy iza izany fa ilay andahin'i Volalana no tafaresaka taminy teny andalana ka hoy i Rado tamin'i Fetra: " azafady hoe ry namana, sao dia mba fantatra kay no misy an'ilay atao hoe Volana ety amin'ity toeran'ity?" dia somary gaga kely anefa i Fetra nahita azy ka saika tsy nahavaly ny fanontaniany ka hoy izy tamin'i Rado : " fa, fa, fa, iza moa raha tsy mahadiso?" dia hoy i Rado taminy :" Rado no
no anarako, naman'i Volana efa ela aho ary izao mitady izao, tsy mantsy fa itako tety amin'ity toeran'ity izy indray andro izay dia izay no mahatonga ahy ety amin'ity toeran'ity mba hitady azy, ka sao mba fantatrao no misy azy?" dia teo i Fetra no taitra nahare ilay anarana hoe :"Rado?"

mbola hitoahy
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
2423 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117