You are here: home > Vetso

TONOM-BAVAKA - IMAHAKA randriamalala (mahavonjy aimé)

TONOM-BAVAKA!!!

Tompo o!
meteza Ianao hifonako,
meteza hitarainako
ny amin'ny zavatra tsy zakako
indrindra fa ny ratrako.

meteza hanadino,
meteza koa tsy hatsiaro
ireny ditra tsy mampino
tao anaty taona maro

meteza hamaly vavaka
dia meteza koa handre
ity feoko mangataka
tsy hoe akory marobe
ny zavatra angatahiko
fa iray monja fotsiny ihany
mba arovy ny fanahiko
ho tonga an-danitra any

izany no fivavahako
izany no fangatahako

Misaotra Tompo ô! Amen

nosoratan'i IMAHAKA RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
05/07/2018 tanjombato 18:48

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha