TSY FAHAFIRIFIRINY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FAHAFIRIFIRINY

Tsy fahafirifirin'iza akory izato ianao
ka higadogadona famindra sy hianjonanjona fijery
ary tsy fahafirifirin'inona izato bikanao
ka haderadera hianjaka ho tazan'i mpijery!

Tsy fahafirifirin'inona akory ity fitafinao
ka entinao mihanjaka hisarihana ny maso
ary tsy fahafirifirin'inona koa ity vatanao
ka haboridana an-tsena kanefa tsy ho lafo

Tsy fahafirifirin'iza ianao ry sipa
ka hiavona amin'izato haratsim-panahy
ary tsy fahafiriny amin'ireo maro an'isa
tsy akory ianao ka hamilafila lehilahy

tsy fahafiriny e!

korisam-penin'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Tanjombato 12/11/2017
--------
Rohy:
829 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156