endri-pahafatesako (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
endri-pahafatesako

raha tonga ny fotoana tsy maintsy harariko
dia sitrako indrindra mba tsy handaniana vola
ary aza atao ho nenina fa ny hany fiangaviako
dia ho ento am-bavaka izay rehetra fitsaboina

ary raha tonga ny fotoana tsy maintsy hialako aina
dia aza asiana ranomaso, aza asiana koa tomany
fa sitrako indrindra raha ny soratro no hiraina
ho solom-pahatsiarovana, f'efa nandalovako ny tany

rehefa tonga ny fotoana hitsotsorako
ambony fandriana vato, ambany rangolahy
dia sitrako indrindra raha tsy kitihina ny vatako
izay efa tsara mandry sy lavitra ahiahy

dia toy izay ilay endri-pahafatesako
fa saingy noravaham-boninkazo
ary raha hoavy ny andro hitsidihanao ny fasako
dia indreo ireo voninkazo f'efa simba sy malazo

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
28 aogositra 2017 tanjombato
--------
Rohy:
679 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015