MIADY HO AN’NY TANINDRAZANA (Rainmbah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiady mafy aho anio, mba ho an’ny tanindrazako,
K’ireo vokatra mivaingana, angamba mety tsy ho tazako,
Fa any andro any taona, ireo zanako amam-para,
Dia hiadana finaritra, eto Madagasikara.


Nanapa-kevitra aho anio, fa hiady amin’ny kolikoly,
Ny fandresena dia ekeko, fa mety tsy ho hitako akory,
Saingy fantatro izy io, fa tsy maintsy ho fongana sy foana,
Ka na ho ela na ho aingana, tsy maintsy ho tonga ny fotoana.


Hiady mafy aho anio, hiady ho an’ny Firenena,
Mba handresy ireo fahavalo izay mpanao tsindry hazo lena,
Tsy mampaninona ahy mihitsy, ny hahafoy ny aiko mba ho sorona,
Satria ireo zanako any aoriana dia handray ny vokatry ny tolona.


Nanapa-kevitra aho anio, hiady amin’ny fahantrana,
Fa mijaly ny vahoaka ka tsy maintsy ho vahana,
Ka na tsy hisy namako aza, dia efa vonona aho hiaritra,
Mba hahatonga ireo taranako, hiaina sy hiadana finaritra.

17 jolay 2006
--------
Rohy:
4817 3
Hevitra mandeha
Fifaliana22 ( 27/01/2009 19:47)
Tena manetsika ny fo ny tononkalonao, enga anie ho maro ny Malagasy tahaka anao hiady ho an'ny tanindrazana.
namoy ( 24/02/2009 10:34)
Hainao mihitsy lay izy an mazotoa manohy hatrany fa aminao lay talenta
ratefilaina ( 12/02/2017 13:44)
Tsara tokoa ny tononkalo ary dia la moins titre titra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rainmbah
Nampiditra : RAINMBAH
Daty : 23/01/2009 07:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148