Afoiko nefa (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afoiko nefa …

Afoiko ho azy ianao !
Afoiko manontolo !
Amin’ny fo madio !

Afoiko ihany koa
Ny momba anao rehetra
Afoiko tsisy fetra

Afoiko ihany ianao
Kanefa tadidio
F’izaho no teo alohany

Fa, afoiko ianao raha mety
Manaiky ny ho tantanany
Fa, afoizo koa aho, raha nenina no farany !

Afoiko ianao nefa …
Ireo tsara niarahana
No tano hisolo toerana ahy

Afoiko

R. JO 16/11/04
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1011 4
Hevitra mandeha
Oully ( 22/11/2004 22:02)
Tiako sy ankasitrahako ilay tononkalonao "Olivier" an!
Afoiko tokoa !!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101