Alahelo tsy maty (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALAHELO TSY MATY
(Ho an’I Sarondrahona R)
Ninia nitangorona an-danitra ambony
Lay rahona fotsy ka toa niova loko
Fa voadona mafy ny ratran’ny fony
Ka nandatsa-drà mba handena ny tany

Ninia nitamberina tao am-po daholo
Ny omaly rehetran’ny fotoana niarahana
Afoy izy ireny avela ho bobongolo
Na dia nampalahelo sy nampitomany

Dia niniana nadaboka daholo, daholo
Ny zava-drehetra nokasakasaina
Navela ho simba napetraka ho lò
Nohon’ny amiko sy ny ditrako ihany

Fa ny nampalahelo :

Niniany tsy fantatra ambamin’izaho
Noeritreretiny tsy ho namany intsony
Dia toy ny ravina nahitsan-taho
Tsy navelany handingana ny varavarany

Amiko anefa na fanahy iniana aza
Ny ditra natao ka tsy nihoa-pefy
Dia aoka tsy ho raisina atao hevi-jaza
Fa rehefa tanora tsy maintsy mba jefy

“Nisy zandry va ?
Nahafoy ny zoky tiany
Ka nanadino azy
Noho ny haditrany ?

Eny nisy izany!

R.JO (01/07/04)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - fiainana
1638 2
Hevitra mandeha
sarondrahona ( 19/07/2004 10:53)
MIantefa amiko ny soratra ka zoko ny mba mamaly , araka izao andrindrako azy izao : Sa ahoana Zoky ?


TSY MIOVA
( Valin’ny tononkalon’i R.JO hoe : “ALAHELO TSY MATY ”)

Misavoana loatra ny hevitr’ise
Ka very ny marina !
Ny zava – drehetra,
Niaraha – nahita teto -tanàna
Niaraha – nandre !
Fa ny olon –drehetra dia samy nozarina
Hanara –dalàna.
Nefa Sakaiza ,
Dia gaga aho raha hoe
Mety amintsika ny hamita –tena
Amin’izay migodàna;
Indrindra fa ise !!!
Ary valio, hoe:
“Fahamendrehana ve ny maditra,
Sa fahotàna ?”

Dia mampalahelo ahy ny tenin’ise hoe :
Niniako daholo ny zava –drehetra
Mba hadinoina !
Sa ve, hadino ny anaran’ise
Raha mba tsy nantsoina ?
Na fahavalo ihorehana ise
Tsy nahiditra an –trano ?
Ny mampalahelo amin’ny fiainana Zoky a!
Dia izay matimaty manara –dalàna
No mahita angano !!!

Ise mora mino ka mampalahelo !
Raha izaho izao no tamin’ny toeran’ise :
Nisaina in –telo…
Nahodiko ihany...
“Fa raha tena Zandry, tsy hanary Zoky,
Raha misy haditràny !”

Porofon’izany ?

Ise alin’ny asa, ny tany nandìny,
Iza no niandry ?
Tokonan’iza no nampandrosoany:
Tsy tany amin’i Zandry ?

Fa ny ahy, anatra iny
Tsy maintsy beazina
Isika Sakaiza
Tsy ho verin’ny tsiny !

Ka fakafakao e!
Fa mbola mitàna fihavanana tsara
Ilay Zandrinao.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
DO.COM.CYBER – Ankadifotsy, faha 18 Jolay 2004
Malalason ( 19/07/2004 13:23)
ok zandry!
R.JO
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135