ATAOKO AHOANA... (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOKO AHOANA…

Ataoko ahoana intsony moa
Ny mbola hanantena indray
Ilay voankazo tsy namoa
Mendrika ny hatao kitay

Ataoko ahoana ihany koa
Ny fanantena ny tsy hisy
Ilay voankazo efa lò
Moa hety hiova ho ranovisy?

Ataoko ahoana hoy ianao
Raha ianao no tamin-toerako
Moa ve misy azo atao
Raha tapitra ny fandeferako!

Malalason 25/03/08
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1775 2
Hevitra mandeha
pissoa ( 27/03/2008 19:04)
Tsara !

Atao ahoana moa fa dia mamboly fandeferana vaovao indray hiatrehana izay ho avy manaraka :-P
sejianis ( 31/03/2008 13:45)
Koa ataonao ahoana moa fa ario rehefa lo !
Sady ny lo foana matetika no vao maika manitsakitsaka sy mihambo!
Ary ny ma ndefitra foana dia folaka ny farany!
Ka rehefa voankazo tsy mamoa, atsipazo any anaty fako ho tsapany ny sahaza azy!
Masiaka aho kanefa efa teo amin'ny toeranao !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111