Ataoko ampy ahy (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOKO AMPY AHY

Teny manao ahoana
Vao mety ahalaza
Ny fitiavako anao

Habe ohatran’iza
No mety ho velarany
Mitoetra am-poko ao

Milanja firy taonina
Sy lopy ohatry ny inona
Vao mety ahatazana azy

Zovy no mahatsapa
Sy maharefy ny halaliny?

Malala,
Ataoko ampy ahy
Ny fanajako anao
Ka dia hionona aho

R. JO 20/01/05
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1508 3
Hevitra mandeha
rakoto77 ( 20/01/2005 09:18)
teny avy ami'ny fo , feno fivelarana , milanja ny fitiavana no mahafeno an'izany ,fa aza manaiky ny hionona fotsiny ianao
Njaka
yonikafopl ( 20/01/2005 16:01)
Malalason, bravo!!
Ny fanajanao ilay olon-tianao no ilazana fa hoe tena tia azy ianao.
Mampahery anao hatrany, mahafinaritra ny mamaky ilay bitsika avy ao am-po
vetsoko ( 21/01/2005 13:35)
défi be io ry se nefa na izany aza mahereza
bichette ( 24/01/2005 09:37)
malalason, ny tena fitiavana dia tsy voarefy
Malalason ( 25/01/2005 07:29)
Ny fitiavana ?
Tsy hitako ho lazaina
Sy tsy haiko tantaraina
Fa mampitsiky miaro sento...
Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107