You are here: home > Vetso

Gasy ve ianao? - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

GASY VE IANAO ?

Raha Malagasy ianao
Dia hiangaviako indrindra
Lay tenin-drazanao mirindra
Hany mba fananao

Dia aza afangaro
Amin-tenin’olon-kafa
Rehefa mba mitafa
Fa mahasaro-piaro

Izany akory tsy midika
Fa ianao dia tsy mahay
Fa hitako miseho milay
Ka mahatonga ahy hasiaka

Koa anao ny safidy
Na ho “gasy” na “vazaha”
Ary hijoro tena sahy
Amin’ny saina tsy mihidy

R. JO (21/12/02) Anjanahary  

Sokajy : Fiaraha-monina

Hevitra mandeha

bichette (25/10/2004 12:14:35)

siora e !

soanja (29/11/2006 02:03:02)

Mazava tanteraka.

0332083832a (15/11/2012 08:17:37)

mlay f toiz e

Hametraka hevitra

Midira aloha