Ho an'i voalohambokatra (avy @ i dada) (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa firy taona izay
Niandrasako ny sombinaiko
Neny firy nokasaiko
Hifantenana iray
Mba hatao ho Mamanao
Nefa ireny dia nandalo
Nisari-monina daholo

I Dada ve no ratsy vintana
Sa ny lahatra no sompatra
“Ny anjara anefa tsy midify”
Hoy ny tenin’olon-kendry

Vinavina mantsy izao
Ny hoe : raha vao vitanay sy Neny
Ny mombamomba anao rehetra
Dia efa hatrany am-piandohana
Fa ianao no “VOALOHAMBOKATRA”
Ary hijanona ho izay
Ny anarana fiantso anao

Toa miramirana daholo
Ny voaharim-piainan-tsika
Rehefa tonga ilay fotoana
Hanatrehanay anao
Mety hihomehy ny manodidina
Fa anarana hafahafa
No nasalotra anao
Aza atao mahakivy anefa
F’izay no tian’I Dadanao

Hevero ange ny hafaliany e !
Raha misy feo-mamangy
« Nomen’Andriamanitra ny fara e !
Ary iza no anarany ?“

“VOALOHAMBOKATRA NY AINA”
“Ilay nandrasana efa ela…”

Izay sy izay ny momba anao
Ry sombinaiko mbola ho avy

“Taratasin’I Dadan’I VOALOHAMBOKATRA”


R.JO (17/06/04)
--------
Rohy:
2086 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144