lebera (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lebera ihany fa tsy iza akory letsy
Lebera be kibo hatramin'izao
Vao maika mitombo fa tsy mihetsy
Lebera ,lebera , sitraka , fahiny
Lebera tsy mbola manadino

Ankehitriny aho mahatsiaro
Ny taloha rehetra izay nifangaro
Aiza ny zavabita tsy afaka miverina
Efa lehibe sy ambady ka tsiahy sy no tamberina

Ianareo tsy hita izaho tsy mandalo
Na i bitaka aza toa najavona
Na dia aloka aza tsy tazana
Nahoana re? sa ? efa revo mamelom-bady
Ka miafanadiono ny namana sahady

Ekena fa heritaona izay no lasa
Maro ny zavatra kinasa
Ny ahasoa ny fianakaviana no tarigetra

Amin'ny tsara sy fomba rehetra
Marina samy miasa isika roalahy
Nefa aza adino ny namana taloha
Fa mbola any foana i lebera (detekitiva )
Tsy nanary na koa nanivaiva

Izao no teniko farany
Tiako ambara ho an'izay mahazo azy
Ny namana tsy azo adino
Na dia lavo sy taraiky any ariana
Fa ireny no mety hanavotra afara
Ka mety hanasoa ireo dimby sy fara

Tsy fantatra izay mety hiseho Ka aza atosika izy ireo
Tsarovy lalandava ny namanao
Na aiza no misy azy amin'izao
Na dia fahavalonao aza izy
Raha toa ka nivadiaka taminao
Tsy fidiny amininy anie ny toa ireny

Fa teren'ny tsy fisiana izy dia miavdika
Tsarovy lalandava ny fitaiavan'ny Tompo
Fa izy ary andriamanitra tonga nanompo

Izay no izy ry RJO glacier
Veloma i Rakotomalalason Jean Olivier

freddy ihany letsy ity an!
--------
Rohy:
1918 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
bitaka ( 09/11/2006 14:00)
Nareo l'ty aza mampihomehy aty @ sera² aty fa mahatsikaiky a! na izany aza tsy manadino anareo izahay ry ANDRIANTSITOHAINA Jean Freddy Akama bônina na dia hisy cyclône.
ny Ekipa BITAKA tsy manadino
bitaka ( 09/11/2006 14:01)
Nareo l'ty aza mampihomehy aty @ sera² aty fa mahatsikaiky a! na izany aza tsy manadino anareo izahay ry ANDRIANTSITOHAINA Jean Freddy Akama bônina na dia hisy cyclône.
ny Ekipa BITAKA tsy manadino
lebera ( 10/11/2006 12:23)
misatra betsaka tamin'ny tsy fanadinoina mahatsiaro tokoa angamba fa tsy afa manaotra e! izao lesy an mba aiza ho aho i Bitaka fa tsy hitako mihitsy ?
lebera ( 10/11/2006 12:28)
tsy azo fafana io fa mba tahirio ny
any
bitaka ( 10/11/2006 13:48)
efa tonga ngah ny petite kely nareo? nareo tadiavin'ny Elie maika ngah nareo hono tsy ho any @ Zoklah tsony????
lebera ( 11/11/2006 08:04)
voaray fa izao no izy ity mba jereo ny adresse nareo hoe malalason@yahoo fa misy message nalefako any
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153