MBOLA MIANDRY (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA MIANDRY

Mbola miandry anao ny fony
Fa misy ratra tsy mitony
Manaintaina tsy mitsahatra
Toy ny faka ratsy fahatra

Mbola misy izay tavela
Sy ny ako-ny tsy mamela
Handino ny andro lasa
Toy ny loto tsy voasasa

Mbola misy sombintsombiny
Teny mamy teo imolony
Mitoetra ireny ho tahiry
Hitsimoka, hamelan-tsiry

Mbola misy tsikitsiky
Torak’hehy mitokiky
Dian-drangotry ny omaly
Mampitsiky, mampijaly

Malalason 01/2007
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1432 6
Hevitra mandeha
mbitaniavo ( 10/01/2007 08:39)
tsara ilay tonokalo fa ny tsy fantatra dia hoe iza ilay miandry? ianao sa izy?

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151