miandry vasoka (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry vasoka

Hionona amin’izay aho
Fa izay angaha no mety
Mahatsiaro tena ho lao
Ary hibaboka fa resy

Malahelo mafy aho
Tsy misy azoko natao
Ny tambitamby izay nomeko
Toa zary lasa esoeso

Homeko tso-drano ianao
Hahita izay tena lafatra
Tsy hanao ny tsy fanao
Ka hivarina any an-tantatra

Aza asiana kozy ny amiko
Fa tsy azonao hianteherana
Ary ireo sangisangiko
Ndeha asiako fandeherana

Fijaliana no niainako
Nandritra izay fotoana izay
Sento lava koa ny fiainako
Niaritra ny mahamay

Na ny teninao aza
Toa masiaka be ery
Sa izany no sahaza
Ilay foko tena tia

Aleo hijanona ho mpinamana
Sa atao mpianadahy
Ireo saika niaraharana
Aondrako any tsifahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1383 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hevitra mandeha
koloina ( 10/11/2007 09:51)
tsara le izy kah! tohizo
tonnyy ( 11/11/2007 18:35)
mahereza ranamana fa tsy anjara zany ny anareo
mbitaniavo ( 13/11/2007 09:12)
misaotra anareo nanome hery nan kafy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122