MIFONO LAMBAMENA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFONO LAMBAMENA

Any an-danitra mihaona
Raha sitraky ny Ray
Lay veloma mandram-pihaona
Ho doria mandrakizay

Ilay niarahana nanangana
Ho arodana daholo
Potehina tsy avela hiangana
Avela ho lò sy bobongolo

Ny tantara izay tsy maty
No avela hitantara
F’efa nisy sahy maty
Nanadino ilay anjara

Nanapotika ny aminy
Ka nandao ny zava-tiany
Eny hatramin’ny akaniny
Dia nilaozany nariany

Malalason 19/06/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1157 2
Hevitra mandeha
vetsoko ( 23/06/2007 14:32)
sao mba misy kosa ihany
misoratra @ anarany
sombin-java-mamy
ahatsiarovana ny anarany?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151