Moa ! (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa tadidinao?
Izaho tsy nahalala ny momba anao akory
Nefa ankehitriny zary nahafantatra ny tsiambaran-telonao
Eny nampihaonin'ny vintana sy kisendrasendra isika
Fa nosarahan'ny lahatra sy anjara
Ka tsy nifanatry tava

Moa tsaroanao koa?
Izaho ilay sasa-niandry, niandry anao tsy tonga
Teo amin'ilay fotoana nifanaovantsika
Tsarovy iny andro iny nefa, inio hadinoina
Fa mamy koa raha mamy raha tonga teo ianao
Ny alaheloko nisava

Moa noheverinao?
Fa mbola miaina ato anatiko sy ao am-poko ao
Ireny hafaliana feno niarahana nigoka
Nefa indrisy;
Nampihaonin'ny vintana sy kisendrasendra isika
Saingy nosarahan'ny lahatra sy anjara
Dia ny momba antsika potika sy rava

R.JO(2003)
--------
Rohy:
2165 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154