NDAO IANAO RAHA HANDEHA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NDAO IANAO RAHA HANDEHA

Ndao ianao raha handeha
Rehefa tsy azoko tanana
Tsy zazakely ianao
Ka ho tambatambazana
(ka mbola ho tantanana)

Fa raha ny hoe :
Ny momba ilay fitiavana
Izy iny raha tsy raikitra
Tsy aharatsy fihavanana

Koa mandehana aloha
Misaina sy mandinika
Mba hisy hoentina a!
Miatrika ny fiainana !

Ndao ianao raha handeha
Rehefa tsy azoko tanana
Tongava soa ianao
Ho tojo fahasambarana

Fa raha ny hoe :
Ny mbola hiverin-dalana
Izy iny raha namoy anao
Tsy azo iverenana !

Koa mandehana aloha
Misaina sy mandinika
Mba hisy hoentina a!
Miatrika ny fiainana !


Malalason Avril 2008
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1797 1
Hevitra mandeha
pissoa ( 14/05/2008 18:22)
Hi hi - tsy efa nisy feony ve tao an-tsainao tamin'ny namorona ity tononkalo ity ?

Mazotoa Malalason a.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106