NY FOKO NO VOAFANTSY (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOKO NO VOAFANTSY

Jerena mahafinatra
Toy ny kintana eny an-danitra
Mahasarika ny saina
Kanefa tsy azonao alaina

Irony fanjam-boninakazo
Toy ny hoe “tsy halazo”
Ka midola sy milanto
Izato indry akia ry Kanto

Maniry manitra toa orona
Maniditsidina toa vorona
Izany saina amam-panahy
Mieritreritra tsy nahy

Izato endrika sariaka
Feno tsiky manjopiaka
Mampiherika mpandalo
Mahabe fahavalo

Raha mba azoko nidina
Ary koa nampifaliana
Ao anajridaina keliko
Dia nohidiko ilay tanteliko

Saingy indrisy mantsy
Ny foko no voafantsy
Ka nandraingiraingy nody
Fa tsy sitram-panafody…

Malalason 27/02/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1457 2
Hevitra mandeha
pissoa ( 27/02/2008 17:41)
Tsara !

Aza hidina izany ny tantely fa tonga dia manindrona, hi hi.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015