OMALY HARIVA KOSA... (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isaky ny mihaona isika hatramin’izay
Dia ny tanantsika no indreo mifandray
Fa omaly hariva kosa tsy haiko hoe nahoana
Ny molotsika roa no indreo fa tafahaona

Ny vatana injao toa voan’ny bemangovitra
Ny rà izay nikoriana, ny fo nihovitrovitra
Ny orana namonto ny tenantsikaroa
Tsy nahataitra antsika fa zary fy tokoa

Ny anjomaran’ilay fiara, nanaitra tao afara
No nampifoha tsy satry fa hay isika tara
Ny andro efa alina, lavitra ny akany
Nisento kely aho, ianao toa hitomany

Ny tahotra ho bedy tsy nosainintsika
Ary koa ny aretina vokatry ny hatsiaka
Fa satry foana foana, hifampidola eny
Hifampisangisangy toa an’I Dada sy I Neny

Malalason 17/11/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1305 3
Hevitra mandeha
lindaglacier ( 01/12/2006 12:10)
mahafinaritra e! na sembanin-drahona aza dia matsiro foana...
Landy
lindaglacier ( 01/12/2006 12:11)
mahafinaritra e! na sembanin-drahona aza dia matsiro foana...
Landy
hery ( 05/12/2006 08:28)
Milay e. Tena santimaka be.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153