You are here: home > Vetso

Fitiavana - Rakotomanga Hery Laza

Fihentsehim-po tsy hay baikona
Indro no nameno ny fo sy ny saina
Taratra hazavana tsy hay jerena
Ianao kotro-baratra ka manantena  


Avo ka tsy takatro ny heviny
Vao mahita anao dia latsaka anaty rembiny
Avana maro loko no indro hitako
Na aiza na aiza misy ahy dia ny sarinao no eo imasoko


Adisoana ve no mitia
Heloina aho  satria
naneho ,nampiariary ny afo izay tsy azoko kobonina
eny ,hekeko izay rehetra tenenina .


Adala hono izay mitia
ka tsy afaka mahalala intsony
ny ratsy sy ny tsara fa renoka tsy afakamiteny tsia
aza helohina aho fa tsy safidy ny mitia fa safidiny

Mombamomba

Mpanoratra : Rakotomanga Hery Laza

Nampiditra : you
Daty : 28/01/2004
Mpamangy : 1966
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

Lazalazao
Jamba mahiratra

Hevitra mandeha

ilyo (30/01/2004 10:55:19)

tsara fa tohizo

Metosela (04/02/2004 12:35:01)

milay be ilay izy ka mbola atovy milay be noho io @ manaraka

Hametraka hevitra

Midira aloha