Lazalazao (Rakotomanga Hery Laza)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamirapiratra jerena
rivotra mitopatopa eny antsefatsefan\'ny fotoana
mampiseo ny bikanao
kanto sy mahasondriana.

Mahasarika ny maso
manintona ny saina
loko ,hanitra mamerovero izay aparitakao
sambatra izy tsara voatra sady soa.

Eny ho ao ry mpivahiny
izay mandalo ka tsy liana
mitompy maso dia variana
ka mialona ny fisiany.

Raha misaina kely voana dia miteny moramora
manja sady mahasondriana
izany voninkazo izany
ny bikany tomaratra ,moramora izato ianao!

Ny kintana eny ambony
ireny no hany mifampitahy
ny vato tena sorobidy ,fitahy
no ravaky ny tavany.

Manontany tena angamba ianao
fa dia inona loatra izany zava-kanto
tsy manantsahala,tsy manam-paharoa izay lazainao
tsy inona tsy akory fa ny rozy izany.
--------
Rohy:
1562 1
Mpakafy: you
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rakotomanga Hery Laza
Nampiditra : you
Daty : 29/01/2004 12:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146